jeudi 11 avril 2013

Andry «Prince de Satan» : nisy fahagagana teny amin’ny Tribonaly



Nigagan’ny mpanatrika teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy, omaly, ny tombontsoa manokana nomena an’i Andry «Prince de Satan» sy ireo mpitarika fiangonana niara-voasambotra taminy tamin’ny raharaha fanalam-baraka nataony tamin’i Dama tao amin’ny tarika Mahaleo.

Nihevitra mihitsy aza angamba ny sasany hoe nampiasa ny hery miafina izay lazainy fa hananany ity Ranamana ity sy ireo pasiterana sekta niara-voampanga taminy.

Noloarana tany amin’ny fonja nitazonana vonjimaika azy mantsy ireto voampanga ireto, hatao famotorana. Ny nahagaga anefa dia toa zary nogenagenaina sy nomena fiarovana manokana avy amin’ireo mpiambina ny lapan’ny fitsarana mihitsy izy ireto na tsy nisy tokony ho natahorana ny ainy akory aza tao amin’ny fitsarana. Mbola nahagaga ny nanatri-maso ihany koa ny namelana ireto mpivavaka (mpiangona) avy amin’ity sekta ity hanao izay tiany atao tao anatin’ity lapan’ny fitsarana ity ihany satria dia afaka nanemotra ny lalantsara mihitsy izy ireo mba hiarovana ireto voampanga amin’ny mpanao gazety, fa indrindra amin’ny mpaka sary. Noezahina noho izany ny tsy hahazoana sary azy ireo ary navilivily nanerana ny lapa mihitsy hialana ny mpanao gazety. Mbola fahagagana hafa ihany koa satria nony naverina eny am-ponja izy ireny dia tsy nentina tamin’ny fiara natokana ho amin’izany tahaka ireo olon-tsotra fa nampidirina tao an-tokontanin’ny Lapan’ny Fitsarana mihitsy ny fiarany sy ny an’ny mpanaraka azy avy, hiondranany, hisorohana ny fakana sary ihany…

Hay tsy fahagagana fa toa tsindry bokotra
Teto vao nanomboka vaky bantsilana ny resaka fa hay tsy fahagagana avy amin’ny hery miafina fa toa hoe nahazoana baiko avy any ambony ny fanatanterahana izany, araky ny tsilian-tsofina teny an-toerana ka toa nanamafy ny tsaho efa niely mikasika ny fananan’ireto voampanga ireto mpiaro matanjaka sy ny tokony hahazoany fahafahana vonjimaika tamin’iny fotoana iny ihany. Efa nivonona tamin’izany rahateo koa no fijery ireo mpiara-mivavaka tamin-dry zareo izay nisomebiseby nameno ny atiny sy ivelany tamin’ny Lapan’ny Fitsarana ary saika hivadika hahery setra mihitsy rehefa tsy raikitra io fahafahana vonjimaika nantenaina io.
Raha tsorina tsy nisy ny fahagagana fa ny tsindry bokotra no mbola manjaka ao amin’ny fitsarana, zavatra tsy mahagaga tokoa satria efa fomba fanao hatramin’izay ka mbola mitohy mandrak’ankehitriny.

Tsy hanaiky ry Mahaleo !
Saika tsy hiraharaha ity resaka ity ihany izahay, hoy ny avy ao amin’ny tarika Mahaleo saingy voatery niditra amin’izao làlana izao satria niantraika tamin’ny fiainam-pianakavian’ny tsirairay taminay sy tamin’ny tarika mihitsy no niafaran’ny fanalam-baraka ka tsy azo noleferina. Tsy ho vahaolana anefa ny fanagadrana ireo nahavanona izany satria tsy hahafafa ny ratsy nataony mihitsy izay sazy ho azony. Tsy maintsy hitohy ny fanaparitahana ireo horonantsary ary ho ambentin-dresaky ny olona foana izahay, hoy Charle Andrianaivo, nanotrona an’i Dama tamin’io omaly io ka tsy hanaiky mora izao tetika fanapotehana izao ny tarika. Tsy nisy nitombona rahateo ny tantara nataon’i Andry saingy tsy mamakafaka tsara koa ny mpihaino ka andairany. Loza mitatao amin’ny firenena sy ny vakoka anefa ankehitriny ny fampifangaroan’ireo mpitondra fivavahana tsy mahafehy ny asany ny fomba sy ny finoana ka tokony hitandrina ny vahoaka mba tsy ho voafahan-dalitra sy ho hatao vorombe fangala-menaka fotsiny, hoy ireto avy amin’ny tarika Mahaleo izay mbola nanambara ny fahagagany amin’ny tsy fihetehan’ny fanjakana eo anoloan’ireny filazan’ity Andry « Prince de satan » ity fa nihinana nofon-jazakely ny tenany. Tsy nisy akory na sombina fanadihadiana natao tamin’izany, na marina izany filazany izany na tsia.

 Vendredi, 05 Avril 2013
                                                                                               

Share on :

0 commentaires:

Enregistrer un commentaire

 
© Copyright Gasy Life 2011 - Some rights reserved | Powered by Blogger.com.
Template Design by Herdiansyah Hamzah | Published by Borneo Templates and Theme4all